Aller au contenu

Ronono

Avy amin'i Wikipedia
Endrika tamin'ny 2 Novambra 2024 à 12:53 nataon'i WikiBayer (dinika | fandraisan'anjara) (Voafafa ny fanovana ny 186.126.37.56 (Dinika); voaverina amin'ny votoatiny teo aloha nataon'i 41.213.235.225)
(fampitahana) ← Endrika tranainy kokoa | Endrika farany indrindra (fampitahana) | Endrika vaovao kokoa → (fampitahana)
Ronono
Eleveur de bétail

Ny ronono dia sakafo ranoka miloko fotsy amboarin'ny biby mampinono vavy. Ny ronono dia vokarin'ny fandranoka ao anatin'ny nono.

Ny ronono dia ranoka fotsy, ny misy ao anatiny dia mety samihafa kely arakaraky ny karazana biby mampinono.

Ny rononon'omby dia manana tahandanja 1,032. Haro fiharo ary mitsingilahila. Ny arakevitry ny rano dia fito ambin'ny valopolo isan-jato. Ny sisan'izay dia tavy (3,5-4,5%) ary tahantombo hafa toy ny gliokôzy, lipida, prôtida ary otrikanina, miaraka amina tahantombo mineraly toy ny kalsiôma, pôtasiôma, manganeza, kilaoro...

Ny pH dia somary marikivy (6,4 hatramin'ny 6,8 ho an'ny rononon'omby) mahery kelin'ny 7 ny pH an'ny rononon'olombelona (7,0-7,5). Mihamarikivy ny ronono rehefa mijanona elaela, satria lasa mivadika ho asidra laktika ny laktôzy.