Aller au contenu

Antilia Kely

Avy amin'i Wikipedia
Tsy tohanana intsony ny kinova azo atao pirinty ary mety misy lesoka amin'ny famoronana. Azafady mba havaozy ny famantarana ny mpitety tranonkala ary ampiasao ny asan'ny fanontana tsipalotra.

Ny Antilia Kely na Karaîba Kely dia tangoro-nosy ao atsinanana sy atsimo amin' ny Ranomasin' ny Karaîba, ao amin' ny Ranomasimbe Atlantika, izay ahitana ireo nosy ao amin' ny tapany atsimon' ny tapa-paribolana antiliana hatrany Pôrtô Rikô sy ny hadin' i Anegada ao avaratra-andrefana hatrany amin' ny zana-kontinentan' i Amerika Atsimo. Ireo nosy ao amin' ny Antilia Lehibe no mifameno amin' izy ireo.

Mamorona tandaha-nosy lava ireo nosy ao aminy izay ao amin' ny Ranomasin' ny Karaîba.

Ireto avy ireo nosy hita ao: ny nosy Virgin Islands an' i Etazonia, ny nosy Virgin Islands britanika, i Sint Maarten (ao amin' ny Fanjakàn' i Nederlandy), ireo nosy Karaîba Neerlandey (Caribisch Nederland), ireo Antilia frantsay (Antilles françaises), i Barbado, i Dôminika, i Grenada, i Montserrat, i Santa-Kity-sy-Nevisy, i Santa Losia, i Santa-Vinsanta-sy-Grenadina, i Trinite-sy-Tôbagô, ary i Curaçao sy i Aruba (samy an' i Nederlandy).