Aller au contenu

Dinan' i Varsovia

Avy amin'i Wikipedia
Tsy tohanana intsony ny kinova azo atao pirinty ary mety misy lesoka amin'ny famoronana. Azafady mba havaozy ny famantarana ny mpitety tranonkala ary ampiasao ny asan'ny fanontana tsipalotra.
Sary famantaran' ny Dinan' i Varsovia
Sarin-tanin' ny firenena tao amin' ny Dinan' i Varsovia

Ny Dinan' i Varsovia dia fifanaraham-pihavanan' ireo firenena tao Eorôpa Atsinanana miaraka amin' ny Firaisana Sôvietika tao amin' ny vondrona ara-toekarena sy ara-pôlitika ary ara-tafika midadasika. Tamin' ny 14 Mey 1955 no niforonan' izany teo amin' ny ankamaroan' ireo firenena kômonista tao amin' ny vondrona sôvietika tamin' ny alalan' ny fifanaraham-pinamanana sy fiaraha-miasa ary fifanampiana araha misy ady.

I Nikita Khrouchtchev no angady nananana sy vy nahitana izany tao amin' ny fotoana nampisy ny Ady Mangatsiaka mba hiatrehana ny Fikambanan' ny Fifanarahan' i Atlantika Avaratra (frantsay: Organisation du traité de l'Atlantique nord -- OTAN) izay niforona tamin' ny Avrily 1949.

Ny antony lehibe nanosika tamin' ny famoronana ny Dinan' i Varsovia, araka ny fanehoana ny antonantony, dia ny fikambanan' ny Repoblikan' i Alemaina "an-dalam-panatevenana ny tafika" tao amin' ny OTAN tamin' ny fotoana nanaovana sonia ny "fifanarahana tao Paris" tamin' ny 9 Mey 1955.

Ireto ireo firenena mpikambana tao amin' ny Dinan' i Varsovia: ny Firaisana Sôvietika, i Albania (niala tamin' ny taona 1968), i Bolgaria, i Romania, i Hôngria, i Pôlônia, i Tsekôslôvakia, ary i Alemaina Atsinanana.

Ny fiaraha-miasa nipoitra avy amin' ny Dinan' i Varsovia dia rava tamin' ny Jolay 1991.

Jereo koa