Valan-javaboarim-pirenena Masoala
Ny Valan-javaboarim-pirenena Masoala dia valan-javaboary noforonina tamin' ny taona 1997, any amin' ny taoany avaratra-atsinanan' i Madagasikara, ao amin' ny faritra Sava, faritanin' Antsiranana, eo amin' ny Saikinosy Masoala. Io no faritra arovana lehibe indrindra eto amin' ny Nosy, izay ahitana ala trôpikaly amin' ny velaran-tany 235 000 hekitara. Io valan-javaboary io dia noforonina mba hitantanana sy hiarovana ary hamerenana ny vakoka voajanahary malagasy izay iharan' ny tsindry mafy (karazana gidro miisa 15 sy karazam-biby hafa am-polony no nanjavona hatramin' ny nahatongavan' ny olombelona ao). Nitahiry tontolo miavaka, fahatsiarovana farany momba ny Nosy Maitso (iray amin' ny anarana tranainy iantsoana an' i Madagasikara) i Masoala; vakoka amin' ny ala mikitroka anirian-javamaniry tia aloka. Izany no mahatonga azy ho anisan' ny toerana tsara indrindra ho an' ny fizahàn-tany ara-tontolo iainana sy ny fizahàn-tany lovain-jafy, ary koa ho an' ny fandalinana ny ala trôpikaly fahiny sy ny tontolo an-dranomasina.
Jeôgrafia
[hanova | hanova ny fango]Eo amin' ny Saikinosy Masoala, any amkn' ny tapany avaratra-atsinanan' i Madagasikara, ao amin' ny Faritra Sava (Faritanin' Antsiranana), no toerana misy ny Valan-javaboarim-pirenena Masoala.
Fandringanana ny ala sy fangalarana biby
[hanova | hanova ny fango]Lehibe ny tsindry mahazo ny ala eto Madagasikara, toy ny any amin'ny ankamaroan' ny ala trôpikaly manerana ny tany. Tsy nitsahatra hatrizay ka hatramin' izao ny tsindry mahazo ny alan' i Masoala sy mahazo ireo izay miaro azy. Niakatra ny tsindry atao amin' ny ala tamin' ny taona 2009, indrindra avy amin' ny mpivarotra hazo sarobidy tsy ara-dalàna, anisan' ireo hazo ireo ny hendramena (Dalbergia maritima)[1] sy ny mapingo (Diospyros)[2]; izay tapahina tsy nahazoana alalana eny amin' ny ala voaaro sy avoaka ety ivelany na dia misy aza ny didy aman-dalàna malagasy natao hiarovana ny ala[3].
Olana ihany koa ny fangalarana biby ao amin' ilay valan-javaboary[3] ary tsy ampy ny fitaovana eo am-pelantanan' ny mpitandro filaminana sy ny mpiambina ala ho enti-miady amin' ny mpangalatra hazo[4][5] miasa ho an' ny tambajotran' ny mpivarotra hazo tsy ara-dalàna[6]. Araka ny loharano azon' i Fitahirizan-bibin' i Zürich sy ny Cercle de Concertation des Partenaires Techniques et Financiers du Secteur Environnement dia olona miisa efatra arivo no nivaro-kazo avy ao Masoala, mihaza sy mivarotra henan-gidro. Hazo aman-jatony no tapaka isan-andro tamin' ny tapaky ny taona 2009, ary hazo an-jatony maro no misy mikapa tsy ara-dalàna isan' andro.
Manana basy ny mpangalatra hazo ary tsindraindray dia mampitahotra ny mpiambina sy ny mponina miaina manodidina an' ilay valan-javaboary.
Jereo koa
[hanova | hanova ny fango]Valan-javaboary
- Valan-javaboarim-pirenena Andasibe-Mantadia • Valan-javaboarim-pirenena Andohahela • Valan-javaboarim-pirenena Andringitra • Valan-javaboarim-pirenena Ankarafantsika • Valan-javaboarim-pirenen' ny Helodranon' i Baly • Valan-javaboarim-pirenena Isalo • Valan-javaboarim-pirenena Kirindy Mitea • Valan-javaboarim-pirenena Mananara-Avaratra • Valan-javaboarim-pirenena Marojejy • Valan-javaboarim-pirenena Masoala • Valan-javaboarim-pirenena Midongy Atsimo • Valan-javaboarim-pirenen' ny Tendrombohitra Ambre • Valan-javaboarim-pirenena Namoroka • Valan-javaboarim-pirenena Nosy Ve-Androka • Valan-javaboarim-pirenena Ranomafana • Valan-javaboarim-pirenena Tsimanampetsotsa • Valan-javaboarim-pirenena Zahamena • Valan-javaboarim-pirenena Zombitse-Vohibasia
Samihafa
Rohy ivelany
[hanova | hanova ny fango]- ((fr)) Sehatra ôfisialin' ny valam-pirenen' i Masoala
- ((fr)) Valan-javaboarim-pirenen 'i Madagasikara
I Wikimedia Commons dia manana aino aman-jery mikasika an'i : Masoala National Park |
Loharano sy fanamarihana
[hanova | hanova ny fango]- ↑ "Témoignage illustré sur le trafic de bois de rose à Masoala Archived Septambra 24, 2021 at the Wayback Machine" [Arsiva]
- ↑ Madagascar, trafic de bois précieux (palissandre et ébène). La fièvre de l'or rouge saigne la forêt malgache [Arsiva] - Univers Maoré n° 8, 13 juin 2009 (PDF)
- ↑ 3,0 et 3,1 Exemple de constat accompagnant une pétition lancée par des acteurs locaux mi-2009 Archived Oktobra 29, 2013 at the Wayback Machine [Arsiva], et reprise par le Journal La vérité Archived Martsa 3, 2016 at the Wayback Machine [Arsiva] (Jereo koa ny lahatsoratra amin' ny teny malagasy, misy sary Archived Martsa 3, 2016 at the Wayback Machine [Arsiva])
- ↑ "Les aires protégées menacées : la coupe illicite des arbres dans les réserves naturelles se révèle être un phénomène inquiétant. Le contrôle manque de rigueur", Express de Madagascar , N° 4412 du 16 septembre 2009 [Arsiva]
- ↑ Informations sur le trafic de bois et de viande dans les forêts malgache du nord-est [Arsiva]
- ↑ Communiqué de presse du zoo de Zurich intitulé Masoala – The Eye of the Forest massively threatened by illegal lumbering [Arsiva] daté du 28 août 2009