Aller au contenu

Tibetana (vahoaka)

Avy amin'i Wikipedia
Vahoakan' i Tibet

Ny Tibetana dia anisan' ny vahoaka teratany any Azia Atsinanana sy ny mponina rehetra ao Tibet, na inona na inona fiaviany ara-poko. Eo amin' ny 8,5 tapitrisa eo ho eo ny fitambaran' ny mponina tibetana, ka ny 6,3 tapitrisa amin' ireo dia monina any Sina, izay manao ny Tibetana ho anisan' ny foko 56 ôfisialy. Any ivelan' i Sina dia misy Tibetana 2 tapitrisa eo ho eo mitsinjara amin' ny vondrona tibetana teratany any India, any Nepaly, any Botàna ary any Pakistàna, ary koa mponina mpitsoa-ponenana manodidina ny 150 000 ka hatramin' ny 200 000 monina indrindra any amin' ny firenena manodidina (India, Nepaly, Botana) ary koa any Eorôpa sy any Amerika Avaratra.

Mampiasa ny iray amin' ny karazany maro amin' ny fiteny tibetana, izay matetika ifankahazoany ny endrika am-bava, ny Tibetana. Manaraka ny fivavahana bodista tibetana ny ankamaroan' ny Tibetana, fa vitsy anisa kosa ireo izay manaraka ny fivavahan-drazana Bön, ary misy ihany koa ny Mozilmana sy Kristiana vitsy.

Nifanaraka amin' ny bodisma ny kolontsaina tibetana, indrindra ny maritrano sy ny zavakanto, fa ny toetany izay tena henjana kosa dia namolavola fiarahamonina miompana amin' ny fomba fiompiana andiam-biby sy ny fambolena, amin' ny fitsaboana nentim-paharazana ary amin' ny nahandro tibetana.