Aller au contenu

Nosy Mangabe

Avy amin'i Wikipedia
Endrika tamin'ny 18 Febroary 2022 à 12:25 nataon'i Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara) (Nosy eto Madagasikara)
(fampitahana) ← Endrika tranainy kokoa | Endrika farany indrindra (fampitahana) | Endrika vaovao kokoa → (fampitahana)

I Nosy Mangabe dia nisy kely ao amin' ny helodranon' Antongila, 2 km miala ny tanànan' i Maroantsetra ao avaratra-atsinanan' i Madagasikara. Azo aleha amin'ny sambo kely izy io ary tafiditra ao anatin' ny valan-javaboaharin' i Masoala (anglisy: Masoala National Park; frantsay: Parc national de Masoala). Toeram-piarovana ny ala mando trôpikaly izy io ary toerana misy ny karazana gidro haihay (Daubentonia madagascariensis). Manakaiky an' i Maroantsetra izy ka azo anaovana dia iray andro, nefa amin' ny alina no tsara aleha eny raha hijery haihay.

Tantara

Manana tantara momba ny varotra sy jiolahin-tsambo ny Nosy Mangabe ary eo amin' ny ilany andrefan' io nosy io dia misy sary sokitra vato nataon' ireo tantsambo hôlandey tamin' ny taonjato faha-16. Tamin' ny taonjato faha-17 dia notafihin' ny Frantsay ilay faritra ka nananganany tobim-barotra. Nitsidika ny nosy ilay mpanoratra tantara foronina britanika Douglas Adams mba hitady ny haihay, hataony amin' ny fandaharana amin' ny onjam-peo ary ao amin' ny bokiny tsy dia fantatra loatra, Last Chance to See.

Jeôgrafia

I Nosy Mangabe dia manana velarana 520 ha ao amin' ny helodranon' Antongila any avaratra-atsinanan' i Madagasikara. Rakotra ala mikitroka ilay nosy, manana haavo 1 331 m ary mahatratra 4 000 mm ny rotsak' orana isan-taona. Ampahany amin' ny valan-javaboary Masoala izy io. Tsy misy toeram-ponenana maharitra ny ao amin' io nosy io; toeram-pilasiana misy trano fandroana sy lakozia no toby ifotony ho an' ny biôlôjista sy ny mpikaroka ary ny mpizaha tany. Ny fomba tsara indrindra hijerena ny nosy dia amin' ny sambo avy any Maroansetra, izay maharitra 45 mn eo ho eo.

Zavamaniry sy biby

Rakotra ala mikitroka mando i Nosy Mangabe ary naorina ho tahiry ho an' ny haihay izay nampidirina tao amin' io nosy io tamin' ireo taona 1960. Tandindomin-doza ho lany tamingana izy ireo, satria nohazaina, nandritra ny taonjato maro, satria ny mponina ao an-toerana dia mihevitra azy ireo ho mariky ny fahafatesana sy fambara loza. Izy ireo dia sokajian' ny International Union for Conservation of Nature (IUCN) na Union internationale pour la conservation de la nature (UICN) ho tandindomin-doza. Misy karazana varika efatra hafa ao amin' ny nosy; ny ampongy, avahy, fotsifaka na fotsife (Avahi laniger), ny beharavoaka na dredrika (Eulemur albifrons), varikandana na varikandrana (Varecia variegata) ary ny koitsiky, pondiky, titilivaha na vakiandry (Microcebus murinus).

Ny andramena mianika (Dalbergia baronii) dia hazo marefo hita ao amin'ny nosy.

Jereo koa