Aller au contenu

Aljebra

Avy amin'i Wikipedia
Fanehoana an-tsary ny fampimirana y = 0.5x - 1

Ny aljebra dia sampan' ny matematika izay ahafahana manehoa ny toetran' ny fikajiana sy ny famahana ny fampimirana ary mitarika amin' ny fandalinana ny rafitra aljebrika. Ny teny hoe aljebra dia avy amin' ny teny arabo hoe الجبر / al-jabr. Arakaraka ny vanim-potoana sy ny lentan' ny fandalinana heverina, dia izao no azo amariparitana azy:

  • ny aritmetika mivelatra, manitatra amin' ny zavatra sy habe ny kajy mahazatra fanao amin' ny isa;
  • ny teôrian' ny fimirana sy ny maromiantoana;
  • hatramin' ny fiandohan' ny taonjato faha-20, ny fandalinana ny rafitra aljebrika (resahina ny aljebra ankapobeny).

Ny sehatra fampiharana ny aljebra dia manomboka amin' ny olana aritmetika, izay misahana ny isa, ka hatrany amin' ireo avy amin' ny jeômetria toy ny jeômetria analitikan' i Descartes na ny isa haro. Noho izany, ny aljebra dia manana toerana lehibe eo anelanelan' ny aritmetika sy ny jeômetria, ka ahafahana manitatra sy mampiray ny sehatry ny isa.

Miaraka amin' ny jeômetria, ny fanadihadiana, ny tôpôlôjia, ny fangaro (combinaison) ary ny teôrian' ny isa, ny aljebra dia anisan' ny rantsan' ny matematika madio. Ny ampahan' ny aljebra lazaina hoe fototry ny aljebra dia matetika ianarana any an-tsekoly.

Tamin' ny Andro Taloha

[hanova | hanova ny fango]
I Diôfantôsy avy any Aleksandria

Ny Egiptiana sy Babilaônianina fahiny dia efa nanana vahaolana amin' ny fitadiavana ny valin' ny olana azo adika ho fampimirama ambaratonga voalohany na faharoa. Tsy mbola nampiasa mpisolotoerana fantarina anefa izy ireo fa i Diophante avy ao Aleksandria no nolazaina fa nampiasa ny mpisolotoerana amin' ny aljebra voalohany. Izy no nandika ireo mpisolotoerana ireo ho isa ary izy no lazaina fa rain' ny aljebra.

Jereo koa

[hanova | hanova ny fango]
Mbola ambangovangony  amin'ny resaka Matematika ity lahatsoratra ity ary tokony hofenoina.

Azonao atao ny mandray anjara eto amin'ny Wikipedia amin'ny alàlan'ny fanitarana azy.
Jereo koa ny pejy Ahoana ny manao takelaka rehefa te-hijery hoe ahoana no fanaovana azy.