Andriantsoly
Apparence
Andriantsoly dia mpanjaka malagasy tao amin' ny Fanjakan' i Boina (v. 1820-1824) sy mahôrey (1832-1843) tamin' ny antsasany voalohan' ny taonjato faha-19. Nantsoina hoe Tsi Levalou izy fahakeliny. Malaza Andriantsoly noho ny nisafidianany ny hikambanan' i Mayotte amin' ny Fanjakan' i Frantsa tamin' ny 25 Avrily 1841, fa tsy namela ilay nosy hofehezin' ny fanjakana manakaiky manodidina. Namidiny tamin' i Frantsa i Mayotte ka ny vidiny dia vola noraisiny manokana sy fikarakaran' i Frantsa ny zanany roa amin' ny fanomezana azy ireo fanabeazana tandrefana tao La Réunion. Na dia nahazo vola be aza izy dia nivary lavo tamin' ny fibobohana toaka sady nanararaotra fahefana, ka maty nisy namono tamin' ny taona 1847.
Lisitry ny mpanjakan' i Boina
[hanova | hanova ny fango]- Andriamandisoarivo (Tsimanata) (1690-1720)
- Andrianamboniarivo (Toakafa) (1720-1730)
- Andriamahatindriarivo (1730-1760)
- Andrianahilitsy (1760-1767)
- Andrianiveniarivo (1767-1770)
- Andrianihoatra (1770-1771)
- Andrianikeniarivo (1771-1777)
- Andrianaginarivo (1777-1778), mpanjakavavy
- Tombola (1778), mpanjakavavy
- Ravahiny (1778-1808), mpanjakavavy
- Tsimalomo (1808-1822?)
- Maka (Andrianaresy) (1808)
- Andriantsoly (1822-1832)
- Oantitsy (1832-1836), mpanjakavavy
- Tsiomeko (1836-1840), mpanjakavavy