Aller au contenu

Fahamarinana

Avy amin'i Wikipedia

Ny fahamarinana na ny marina dia ny toetran' ny filazana na zavatra iray mifanaraka amin' ny zava-misy. Amin' ny fiteny andavanandro dia matetika izy io teny io no ampiharina amin' ny zavatra ikendrena ny fanehoana ny zava-misy na mifanaraka amin' izany, toy ny finoana sy ny fehezankevitra ary fehezanteny manambara.

Matetika dia heverina ho mifanohitra amin' ny filazana diso ny fahamarinana. Resahina sy iadian-kevitra amin' ny sehatra samihafa ny hoe "fahamarinana", anisan' izany ny filôzôfia, ny zavakanto, ny teôlôjia, ny lalàna ary ny siansa. Ny ankamaroan' ny asa aman-ketsika ataon' ny olombelona dia miankina amin' io voan-kevitra io, ka ny fombany amin' ny maha voan-kevitra azy dia ekena fotsiny fa tsy atao lohahevitra iadian-kevitra, anisan' izany ny asa fanaovan-gazety sy ny fiainana andavanandro. Mihevitra ny voan-kevitra hoe "fahamarinana" ho fototra iaingana sy ho tsy azo hazavaina amin' ny teny mora azo kokoa noho io voan-kevitra io ny filôzôfa sasany. Amin' ny ankapobeny dia raisina ho fifanandrifian' ny fitenenana na ny eritreritra amin' ny tontolo tsy miankina amin' ny toe-pisainana ny fahamarinana. Izany no antsoina hoe "teôrian' ny fahamarinana amin' ny alalan' ny fifanandrifiana".

Mbola iadian' ny manam-pahaizana sy ny filôzôfa ary ny teôlôjiana hevitra ny teôria sy ny fomba fijery samihafa momba ny fahamarinana. Misy fanontaniana maro samihafa momba ny toetoetran' ny fahamarinana izay mbola dinihina amin' izao fotoana izao. Anisan' izany ny amin' ny famaritana ny fahamarinana; ny hoe azo atao na tsia ny manome famaritana ara-pahalalana momba ny fahamarinana; ny famantarana ny zavatra iray ho mpitondra fahamarinana afaka ny ho marina na diso; raha mifanipaka ny marina sy ny lainga, na raha misy sandam-pahamarinana hafa; raha misy famantarana ny fepetran' ny fahamarinana izay ahafahana mamantatra izany sy hanavaka azy amin' ny lainga; ny anjara asan' ny fahamarinana amin' ny fananganana fahalalana; ary, raha toa ka tanteraka amin' ny fara tampony foana ny fahamarinana na raha miankina amin' ny fomba fijerin' ny tsirairay.

Jereo koa

[hanova | hanova ny fango]