Fompotra
Ny fompotra dia akora ôrganika fôsily misy karbônina betsaka (60 %), miloko manja maity, niforona avy amin' ny fiangonan-tsinga ôrganika maty (indrindra ny zavamaniry), nandritra ny fotoana maharitra (1 000 hatramin' ny 7 000 taona), tao anaty tontolo feno rano, indrindra ao amin' ny honahona misy rano be asidra, sy ny fihamaroan' ny karbônina ao amin' izy ireo.
Any amin' ny ila-bolantany avaratra, ny zavamaniry mamorona ny fompotra dia ny volon-kazo indrindra. Ny fompotra masira dia karazany miforona eny amin' ny honahona azo anamboarana sira, avy amin' ny singa simba amin' ny zavamaniry sasany (karazana harefo Carex sy sphagnum). Ny fiforonan' ny fompotra no dingana voalohany amin' ny fiovan' ny zavamaniry ho arintany.
Hita maneran-tany ny fompotra. Ny lehibe indrindra amin' izay dia any Etazonia, any Kanada, any Rosia, any Nôrvezy, any Soeda, any Danemarka, any Islandy, any Finlandy, any Britaina Lehibe ary any Irlandy. Ny fompotra maina, izay matetika terena ho lasa biriky kely, dia ampiasaina any amin' ny firenena eorôpeana maro, indrindra fa any Irlandy, ho fandrehitra, na dia tsy mitovy ny hafanana omeny raha mitaha amin' ny an' ny arina noho ny habetsahan' ny singa tsy mirehitra sy ny rano ao anatiny. Ny fandoroana azy dia mamoaka setroka be.
Ny fompotra sy ny zavatra namboarina vita amin' ny akora zavamaniry efa simba amin' ny ampahany, dia mitazona hamandoana ary ampiasaina ho fandrakofana ny voly (mba tsy ho maina ny tany aniriany) sy ho fitaovana fanatsarana ny tany amin' ny fambolena an-jaridaina.
Ny fitrandrahana ny honahona misy fompotra dia manala ny zavamaniry sy ny biby maro amin' ny toeram-pivelomany voajanahary. Noho izany, ny mpiaro ny tontolo iainana dia manohana ny fampiasana fomba hafa toy ny kômpôsta hodi-kazo, tsiraka voanio, ary hodi-boan-kakaô ho amin'ny fambolena an-jaridaina. Ny fitrandrahana fompotra dia anisan’ ny antony nmpanjavona na nahapotika ny faritra mando maro, ary indraindray lasa feno dobo midadasika izy ireo.